Taninketsa indostrialy: menaka 160 litatra isan’ora no ho azo ao amin’ny milina fanodinana voanjo ao Ankadinondry Sakay.

Andro sisa no isaina dia hiodina ny milina famokarana menaka ao Ankadinondry Sakay. Afaka mitoto voanjo 400kg isan’ora ary ahazoana menaka 160 litatra isan’ora izany.
Efa manana voanjo ampy hamatsiana ny milina ety am-panombohana ny kaoperativan’ny tantsaha mpamboly voanjo. Hanangom-bokatra any amin’ny faritra Bongolava sy faritra hafa koa izy ireo ahafahana mampandeha ny Taninketsa Indostrialy amin’ny fotoana manaraka rehetra.
Hiteraka asa fivelomana mivantana ho an’ny fianakaviana 5 miara-miombon’antoka izay ahitana olona 20 eo ho eo, ny fiodinan’ity milina famokarana menaka ity. Tantsaha miisa 1800 eo ho eo kosa no hahazo tombontsoa amin’izany.
Nitsidika ny Taninketsa Indostrialy ao Ankadinondry Sakay ny DRICC BONGOLAVA tamin’ny herinandro lasa iny. Tamin’izany no nanomezana ireo fitaovam-pitantanana ilaina amin’ny fanodinana ozinina toy ny drafitra fitadiavana mpiasa, ny teti-pamatsiana akora fototra ny orinasa, ny rindra-pamokarana sy fitsinjarana ny vokatra any amin’ny mpanjifa.
Sary DRICC Bongolava

Vous aimerez aussi...