Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Anosy sy Androy

?ATSIMO ATSINANANA: Nisokatra ny Alatsinainy 18 Septambra 2023 ny taom-piotazana jirofo any Atsimo Atsinanana araka ny Didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny Faritra. Hentitra ny eo anivon’ny DRICC Atsimo Atsinanana amin’ny fampanaran-dalàna ireo mpisehatra amin’izany toy ny fijerena ireo kalitaon’ny vokatra sy ireo atonta-taratasy mifanandrify amin’ny fividianana ny vokatra. Azo lazaina fa tsara ny vokatra amin’ity taona ity raha ny fahitana ny zava-misy. Ny andro rahateo koa maina ka mifanentana tsara amin’ny filan’ny voly jirofo.

?ATSINANANA: Notombanana tamin’ny alalan’ny Atrikasa ny faharetan’ireo orinasa madinika sy salantsalany manoloana ny fikorontanan’ny toetr’andro ao amin’ny faritra Atsinanana. Natao tao Toamasina ny Alarobia 13 Septambra 2023 izany. Nifarimbonan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria (CCI) Toamasina, ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Atsinanana, ny vondron’ireo mpandraharaha vehivavy ao Toamasina ary La Fabrique ny fanomanana azy. Natratra 25 ireo mpandray anjara.
?ANOSY sy ANDROY: Notontosaina ny 13 sy 14 Septambra 2023 tao Tolagnaro ny fanamafisana traikefa ho an’ny tompon’andraikitra any anivon’ny faritra Androy sy Anosy izay misahana ny fanaraha- maso sy fampiharana ny Lalàna velona hamokarana, hivarotana ary hampiasana sira misy ioda sy fluor. Nisitraka izany ireo mpikambana I-team faritra Androy sy Anosy, ireo mpamokatra sira avy ao amin’ny faritra Androy ary ny tompon’andraikitra avy amin’ny ONN.

Vous aimerez aussi...