Famatsiana vary: afaka misafidy amin’ireo vary hita eny an-tsena ny mpanjifa na amin’ny karazany na amin’ny vidiny

Vary 300 taonina no nigadona tao amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny herinandro ary efa natoby ao amin’ny fitehirizan’entan’ny SPM (State Procurement of Madagascar) eny Anosizato. 300 taonina hafa nafaran’ny SPM koa amin’izao fotoana izao efa tonga any Toamasina.
Misy vary 21 000 taonina nafaran’ny mpandraharaha koa tonga any Toamasina ankoatra ny vary 15 950 taonina naidina tao Toliara tapa-bolana lasa izay. Miditra tsikelikely ny vary avy any ivelany na teo aza ny fanafoanan’ny firenena indiana ny fanondranana vary mivoaka an’i Inde.
Mitohy koa ny fiaraha-miasan’ny SPM sy ny mpanangom-bokatra amin’ny fividianana ny vokatra eto an-toerana hamaliana ny filan’ny mpanjifa sy ho fitsinjovana amin’ny vidy ivarotany ny variny. Ny dikan’izany rehetra izany dia efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny maitso ahitra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana.
Nisy fiantraikany tamin’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanafoanan’i Inde ny fanondranana vary avy any aminy nanomboka tamin’ny volana Jolay 2023. Mitana ny 40%-n’ny tsena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy ny firenena indiana.
Manentana ny mpanjifa ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto anivon’ny Minisitera misahana ny Varotra (MICC) Laurencia Razanadrakoto mba hisitraka ny fahamaroan’ny safidy momba ny vary satria isan-karazany ny vary hita eny an-tsena ary samy manana ny vidiny izy ireny.

Vous aimerez aussi...