Fanondranana mankany ivelany

Sarihana hitodika amin’ny tsena amerikana ireo mpisehatra amin’ny Loha-menaka
Anjaran’ny Seha-pihariana Loha-menaka indray no misitraka fizaram-baovao sy tari-dalana amin’ny fanondranana vokatra eo amin’ny tsena amerikana taorian’ny Atrik’asa AGOA momba ny kakao tany Ambanja.
Nomena an’ireo mpandraharaha ny tahirin-kevitra voadika amin’ny teny malagasy mirakitra ireo fomba fanondranana. Ahafahan’izy ireo mamantatra ny fepetra takian’ny tsena izany ka tsy ho sakana intsony amin’ny fandefasana entana mankany Afrika Atsimo sy Etazonia.
Nifanakalozan-kevitra koa ny fiaraha-miasa amin’ny USAID sy AmCham hahafahana manatrika foara sy seho any Etazonia.
Tetsy amin’ny Centell Antanimena no nanatanterahana ny Atrik’asa momba izany omaly 28 Septambra 2023 tontolo andro.
Nambaran’ny tompon’andraikitra avy amin’ny MICC fa mbola mahafa-po kokoa ny vokatra andrasana satria manana fahavonona handrombaka ny tsena amerikana amin’ny alalan’ny AGOA ny mpandraharaha malagasy.

Vous aimerez aussi...