Vondrona iraisam-pirenena momba ny kakao (ICCO)

Voatazon’i Madagasikara ny kalitao kakao tsara indrindra eran-tany na « Cacao fin 100% ».

Mbola voahosotra ho Kakao tsara kalitao indrindra eran-tany ny kakao malagasy. Namoaka tamin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo firenena ao anatin’ny Tovana C ny ICCO ny Alakamisy 12 Oktobra 2023 ka mitana hatrany ny famokarana ny kakao tsara kalitao indrindra ny firenentsika.
Fandresena lehibe ho an’i Madagasikara izany satria tsara laza eran-tany ny kakao malagasy. Misy fiantraikany amin’ny vidin’ny vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Indrindra fa efa nahitana fiakarany be ny vidin’ny kakao eny amin’ny mpamboly.
Tsiahivina fa nampiantrano ny fivoriana lehibe iraisam-pirenena teo amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny kakao tsara kalitao indrindra i Madagasikara tamin’ny 13 ka hatramin’ny 14 Jona tamin’ity taona 2023 ity. Nandray anjara tamin’izany ireo manam-pahaizana 12 mianadahy avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo tena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa kakao.
Nandalo teo anatrehan’izy ireo ny atontan-kevitra momba ny kakao tsara kalitao indrindra (cacao fin) vokarintsika eto Madagasikara.
Nandrafitra ny soso-keviny ny mpitsara iraisam-pirenena tamin’izay ka nandefa izany tany amin’ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny kakao (ICCO) any Abidjan Côte d’Ivoire. Tamin’iny herinandro lasa iny izany no namoaka ny fanapahany ny ICCO.

Vous aimerez aussi...