Tsena Iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (COMESA)

Niadian-kevitra tany Nairobi Kenya ny momba ny fiantohana ny fiarovana ny mpanjifa ato anatin’ny faritra ara-barotra
Mandalo fahasahiranana ny fiarovana ny mpanjifa manoloana ny firoboroboan’ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny alalan’ny “e-commerce”, ny “intelligence artificielle” na ny fitsaboana nentim-paharazana. Natsangana mihitsy ny birao hanomana sy hamaritra ireo teboka samihafa haroso amin’ny Fikaonan-doka afrikana ifanakalozan-kevitra amin’ny taona 2024.
Nivoitra izany nandritra ny Fihaonam-be fanao isan-taona eo amin’ny Vaomieran’ny fifaninana sy ny Vaomieran’ny fiarovana ny mpanjifa (CCPC) eo anivon’ny Vondrona COMESA. Anisan’ny nandray anjara tamin’ity fivoriana nandritra ny telo andro, ny 03 ka hatramin’ny 05 Desambra 2023, tany Nairobi Kenya ity ny solontena malagasy nahitana ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa eto amin’ny MICC. I Madagasikara moa dia ao anatin’ny vondrona handrafitra ny lalàna lasitra ho fiarovana ny mpanjifa ho an’ny COMESA.
Hanatrarana ny tanjona fiarovana ny mpanjifa dia hitady vahaolana miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy ireo mpiara-miombon’antoka ary indrindra fifanampiana avy amin’ireo firenena efa mandroso ny vondrona COMESA. Niarahana nanaiky fa ny fampianarana ny mpanjifa dia tena ilaina ary anisan’ny antoka lehibe hiarovana azy sy hahalalany ny zony.

Sary DPC

Vous aimerez aussi...