Taninketsa indostrialy

Nahazo milina fanodinana voatabia ny any Andina distrikan’Ambositra.

“Hisondrotra ny vidin’ny voatabia…Ho afa-pahasahiranana ny tantsaha mpamboly voatabia”. Tamin-karavoana no nandraisan’ny mponin’Andiana ny milina fanodinana voatabia ho azo tehirizina avy amin’ny Fitondram-panjakana ny Alatsinainy 11 Desambra 2023 lasa teo.
Lohalaharana amin’ny famokarana voatabia any amin’ny faritra misy azy ny kaominina Andina. Simbasimba fotsiny sy tamorain’ny mpanangom-bokatra anefa izany amin’ny fahavokarany satria mora simba ny voatabia.
Nivaly ankehitriny ny hetahetan’ny kaoperativa mpamokatra voatabia ka nampitondra teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izy ireo sy ny Ben’ny tanàna Raphael Rakotozandrindrainy. “Hisy fiantraikany amin’ny ativilanin’izy ireo ny fisian’io milina io”, hoy izy.
Notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambositra, ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Amoron’i Mania sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana ny lanonana fanolorana ny fitaovana.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...