Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Melaky sy Menabe

?MELAKY: Atsahatra ny fakana sarany amin’ny fampidirana petra-bola (dépôt) eny amin’ny cash point any Maintirano. Izany no vokatry ny fanelanelanana nataon’ny DRICC Melaky taorian’ny fitarainan’ny voaray avy amin’ny mpanjifa ny amin’ny fampandoavan’ireo cach point ireo vola rehefa manao dépôt. Nampivoriany araka izany ny Alatsinainy 18 Desambra 2023 ireo mpanao cash point ka isan’ny nantsoina tamin’izany koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny Telma ao Maintirano nandraisana ny fanapahan-kevitra.

?MENABE: Kaoperativa 6 no nitsangana ara-panjakana tamin´ny Sabotsy 16 Desambra 2023 tao amin´ny kaominina Tsaraotana sy Antsoha, distrikan’i Belo/Tsiribihina sy kaominina Ampanihy sy Analamitsivala, distrikan´i Mahabo ary kaominina Analaiva, distrikan´i Morondava. Misehatra amin´ny fambolena vary sy voamaina ary fiompiana trondro sy akoho gasy izy ireo. Ao anatin´ny fiaraha-miasan´ny DRICC sy ny Terikasa USAID Mikajy no nahafahana nanatanteraka izany.

Ankoatra ny fampiofanana kaoperativa mahazatra dia nisy koa ny fampiofanana amin’ny resa-barotra sy fanentanana azy ireo mba hiarahiasa amin´ireo mpisehatra ara-bola toy ny banky sy ny Tranom-piantohana araka ny efa natao tanatin´ny Tetikasa SAFER.

?MELAKY: Nampanantsoan’ny CCI Melaky fivoriana ny Zoma 8 Desambra 2023 ny fomba hampanarahan-dalàna ireo mpandraharaha miasa eo amin’ny seha-pihariana trondro. Niatrika izany fivoriana ny filohan’ ny fikambanan’ny mpanangona trondro maina. Tapaka tamin’io ny fametrahana “guichet unique” izay hatao ao amin’ny CCI Melaky, fanomezana fankatoavana ho an’ireo trano fanatobian’entana sy fanokafana toeram-pikirakirana trondro, fandraisana fepetra fanamaivanana eo amin’ny fandoavan-ketra.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...