Fetin’ny faran’ny taona

Entana lany daty isan-karazany no tratran’ny mpanara-maso avy amin’ny MICC.

Tsy maintsy nogiazana ireo yaourt, fromazy, fanafody azo avy amin’ny fanodinana zava-maniry malagasy, kojakoja fikarakarana tarehy sy volo, ranomboankazo simba sy lany daty tany amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe. Nandritry ny andro maromaro no nanatanterahan’ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Bongolava ny fisafoana ara-barotra mahakasika ny kalitaon’ny vokatra amidy eny an-tsena, niatrehana ny fetin’ny faran’ny taona ka nahazoana izany vokatra izany.

Tanjona tamin’izany hetsika izany ny hianohan’ny mpanjifa anatin’ny fetin’ny asaramanitra tanteraka, lavitry ny fanapoizinana ara-tsakafo.

Tany amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany moa dia milanja 631kg ireo entana tsy maintsy nodorana teo amin’ny tokotanin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritra tao Manakara.

Nisy ny fanentanana ny tokony hahamailo ny tsirairay amin’ny entana lany daty.

Vous aimerez aussi...