Maitso ahitra

Hidina isan’andro eny an-tsena hitsirika ny vidin’entana ireo mpanara-maso avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra
Laharam-pahamehan’ny Minisitera misahana ny Varotra amin’izao fotoam-pahavaratra izao ny fanarahana ny vidin’entana eny an-tsena. Nanomboka tamin’ity Alarobia 17 Janoary 2024 ity ka hitohy isan’andro ny fitsirihana hataon’ireo kaomisera sy mpanara-maso ny Varotra sy ny Fifaninanana. Ny fanajan’ireo mpandraharaha ara-barotra rehetra isan’ambaratonga ny lalànan’ny varotra (fananana mandrakariva ny taratasy ara-barotra manaporofo ny nihavian’ny vary, ny fametrahana ny vidin’entana mazava tsara, ny fanarahana ny fenitra eo amin’ny fitehirizana ny entana…) dia misy fiantraikany amin’ny vidin’entana any an-tsena.
Teny amin’ny tsenan’Andoharanofotsy sy Ankadindratombo androany dia manomboka eo amin’ny 2400Ar hatramin’ny 3000Ar ny kilaon’ny vary. Marin-toerana ny vidim-bary nandritra ny roa volana mahery izay. « Ankoatra ny fitsirihana dia hanentana koa ny mpivarotra rehetra amin’ny fanajana ny lalàna ara-barotra hifehezana ny vidin’entana” hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Varotra, Isidore Razanakoto izay nitarika ekipan’ny Minisitera nidina ifotony.
Mitsinjo manokana ihany koa ireo tantsaha mpamboly vary ny Minisitera. Afaka mifaninana tanteraka amin’ny vary nafarana ny vary vokatra eto an-toerana ankehitriny.
Nanamafy ity mpivaro-bary tetsy Andoharanofotsy iray ity fa marin-toerana ny vary ary maro karazany afaka hisafidianan’ny mpanjifa araka ny fahefany.

Vous aimerez aussi...