Varo-bokatry ny tantsaha

Nanoro hevitra ireo mpamboly tsy hiditra fatiantoka fa hahay hikajy ny tombom-barotra ny Minisitra Edgard Razafindravahy.

Nohararaotin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fandalovany tany amin’ny faritra Vakinankaratra, nitokana ireo Taninketsa Indostrialy roa ao Antsirabe I sy Betafo, nihaonana mivantana nijery ireo tantsaha tao Andranomanelatra sy ny manodidina.
Naverimberiny tamin’ireo toerana nalehany fa hafatry ny Filoha ny fidinana ifotony mivantana toy izao ary indrindra ny fijerena fiveloman’ireo tantsaha, eo ihany koa ny fametrahana ny indostria eny ifotony. Mitovy ny olana ho an’ireo tantsaha rehetra tamin’ny toerana notsidihany. Be loatra ny mpanelanelana ka kely dia kely ny tombony azon’izy ireo.
Misy amin’ireo tantsaha no mivarotra ny iray garaba ahitana paoma 20 hatramin’ny 25 kilao amin’ny vidiny 15.000 Ar, izany hoe manodidina ny 600 Ar eo ny kilao. Rehefa nanontaniana izy ireo dia tsy mahazo tombony firy akory ao anatin’izany na matiantoka mihitsy ary.
Ho an’ny Ministra Edgard Razafindravahy manokana, amin’ny maha Minisitry ny Varotra no nijereny ny vidim-bokatra tany an-toerana saingy ankoatr’izay dia nampianatra sy nanoro ireo tantsaha ihany koa ny tenany ny amin’ny fikajiana ny fomba fakàna tombony. Toy ny hoe jerena ny vola rehetra lany amin’ny famokarana ka miainga amin’izay no hanaovana ny vidiny. Izy rahateo ankoatra ny maha minisitra azy dia efa mpandraharaha.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...