Fiarovana ny mpanjifa: Sôkôla 2884 fonosana no nodorana

Sôkôla « Kinder schoko bons » miisa 2884 fonosana amin’ny lanjany 125g avy no tsy maintsy nandraisana fepetra ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpanjifa. Nodorana teny amin’ny Foibem-pikarakarana ny fako Adonis eny Ambatomirahavavy ireo sôkola ireo tamin’ny Zoma 22 Aprily 2022 lasa teo. Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny MICC ny fiarovana ny mpanjifa sy ny fahasalamany amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...