Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Menabe
Publié
· Mis à jour
ATSIMO ATSINANANA: Nazavaina tanatin’ny atrikasa nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ny lalàna mahakasika ny vokatra “bio”. Notsindriana ireo fepetra rehetra takiana mba hazahoana ny fanamarinana, ny mamaritra ny bokin’andraikitra na ho an’ireo mpandraharaha maniry ny hisehatra amin’izany na io amin’ny varotra anatiny na koa hanondrana. Hatreto aloha dia mbola vitsy ireo mpandraharaha no manana fanamarinana “bio” any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana noho ny mbola fahalafosan’ny sarany. Amporisihina hatrany anefa ny hahazoan’izy ireo an’izany satria maro ny tinady amin’ny vokatra “bio”eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
MENABE: Nandray anjara tamin’ny atrikasa momba ny seha-pihariana katsaka ny DRICC Menabe ny Talata 27 Septambra 2022. Nodinihina tamin’izany ny famokarana sy fivarotana ny katsaka anatin’ny fiarovana sy fitantanana ny faritra arovana Menabe Antimena, ary ny fanomezana soso- kevitra ho fanatsarana io seha- pihariana io. Nitarika izany ny governora sy préfet.