Fandraharahana: Tanterahina etsy Analakely ny fampiofanana Pôle Stage Madagascar 2022 ho an’ireo tanora mpianatra

Nosokafana omaly Alatsinainy 11 Jolay 2022 tao amin’ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) Analakely ny andiany faha-2 amin’ny fampiofanana Pôle Stage Madagascar 2022. Fiaraha-miasa eo amin’ny MICC, METFPLS ary ny SIM miaraka amïn’ireo orinasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ary ny sekoly ambaratonga ambony maro no ahafahana manatanteraka izany. Tanjona ny fanamorana ny fisitrahan’ny tanora mpianatra fizaran’asa (stage) eny anivon’ny orinasa, ny fampifandraisana ireo orinasa sy ny mpianatra.
Mialoha izany fizaran’asa izany dia omena fampiofanana (formation pré-stage) ireo mpianatra. Maro ny lohahevitra izay hanofanana ary ny MICC amin’ny alalan’ny DPE dia mandray anjara amin’ny fanofanana ireo tanora mpianatra ireo amin’ny fanomezana fahalalana momba ny fandraharahana. Ny Zoma 15 Jolay 2022 izao no hifarana ny fampiofanana.
SARY DPE

Vous aimerez aussi...