Taninketsa indostrialy: Efa tonga any Isaka Ambohimahasoa ny fitaovana hamokarana lafarinina avy amin’ny mangahazo

Vokatra mangahazo avy amin’ny kaominina Isaka, Vohitrarivo, Befeta ary Ikalalao samy ao anatin’ny distrikan’Ambohimahasoa no haodina mba hahazoana lafarinina avy amin’ny mangahazo. Efa tonga any Isaka ny milina hotantanin’ny Kaoperativa Kolo Aina. Nidina nijery sy namantatra ny toerana ametrahana ity indostria ity ny DRICC Matsiatra Ambony tamin’ny Alatsinainy 2 Mey 2022 lasa teo. “Afaka 15 andro dia tokony ho vita ny fanatsarana ny trano ametrahana ny fitaovana”, hoy ny Talem-paritra Zafimihary Ruffin. Teraka moa ity tetik’asa ho fanatanterahana ny #Velirano 7 ity vokatry ny fidinana ifotony nataon’ny minisitra Edgard Razafindravahy tany amin’ny ilany atsimo tamin’ny volana Febroary.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...