Vaovaon’ny faritra ATSINANANA – MAHANORO

Manotrona ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny Minisitra Edgard Razafindravahy amin’izao fotoana izao any Mahanoro. Nanatrika ny fiaingan’ny andiany faharoa amin’ny sambo mitondra ireo vary fanampiana ho an’ny mponina ao Nosy Varika izy ireo ary hijery ny takaitra navelan’ny rivo-doza ao an-toerana. Marihana fa omaly ny sambo roa voalohany nitatitra vary 32taonina no niainga ary ireo sambo andiany faharoa androany nitondra 32taonina ihany koa. Samy ahitana Vary Tsinjo sy Vatsy Tsinjo ireo sambo rehetra ireo.
Hijery ny fametrahana ny toeram-pivarotana Tsena Mora ao Mahanoro ihany koa ireo mpitondra Fanjakana.

Vous aimerez aussi...