Vaovaon’ny faritra Analanjirofo: nanomboka nisitraka ny Tsena Mora ny mponina ao Fenoarivo Atsinanana.

Toeram-pivarotana Tsena Mora miisa 5 no nanomboka nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tany Fenoarivo Atsinanana. Novatsiana Vary Tsinjo 30 gony avy izy ireo. Lany avokoa ny entana namidy ary afa-po tanteraka ny mponina satria manamaivana ny fahasahiranana andavanandro ny Tsenam-bahoaka.
Isan’ireo nandrindra teny an-toerana ny mpanara-maso ara-barotra avy ao amin’ny DRICC Analanjirofo.

Vous aimerez aussi...