Vaovaon’ny faritra Vatovavy: tsy mitsahatra ny mijery vahaolana amin’ny famatsiana ny mponina ao Mananjary ny Minisitera

👉Tsena Mora: Efa tomombana avokoa ireo fepetra rehetra hametrahana sy handrindrana ny Tsena Mora ary efa voafaritra ihany koa ireo toeram-pivarotana sy hitsinjarana ny entana hamidy.
T👉aninketsa Indostrialy: Tsy latsa-danja nandritra ny fidinan’ny delegasion’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ny fijerena ny fivoaran’ny fandaharanasa Taninketsa Indostrialy any an-toerana. Ity fandaharanasa ity izay mandray anjara fototra amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny mponina ifotony. Eo am-pandinihana ireo antontan-taratasin’ny mponina liana amin’ny Taninketsa Indostrialy voaray ny tompon’andraikitra ao amin’ny DRICC amin’izao fotoana izao.

Vous aimerez aussi...