Vaovaon’ny faritra BONGOLAVA: handray fepetra hentitra ny DRICC manoloana ny mety hisian’ny fanararaotana mamotika ny mpanjifa

Hanara-maso akaiky ny mpanao varo-maitso manambaka ny tantsaha, ny mpanao “rétention de stocks”, ny mpampiasa Fitaovam-pandanjana mandainga sy tsy voamarina ary ny mpijirika tsy ara-dalàna ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Bongolava mba tsy hisian’ny fanararaotana. Niatrika fivoriana niarahana tamin’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpanangom-bokatra ny DRICC omaly.
Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tantsaha ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.

Vous aimerez aussi...