Fanaraha-maso ny kalitaon’ny sira: Sira nafarana 668 boaty nolevonina sy nodorana

Sira vaingany miisa 92 boaty amin’ny lanja 750g avy sy sira vovony 576 boaty milanja 550g isanisany no nolevonina sy nodorana tamin’iny herinandro lasa iny. Sira nafarana izay tsy manaraka ny fenitra takian’ny lalàna, tsy nahitana tahana iôda ireo nandraisan’ny Foiben-draharaha misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) eto amin’ny Minisitera ireo. Antoka lehibe amin’ny fivelarana ara-tsain’ny zaza sy ny fahasalaman’ny daholobe ny fihinanana sira misy iôda sy “fluor”.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...