FOIBEM-PITONDRANA ANKAPOBENY MISAHANA NY ASATANANA

Tontosa ny 15 marsa lasa teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale Jeneraly misahana ny Asatanana teo aloha Atoa KAJALY Audace sy ny Tale Jeneraly vaovao Atoa RAMANANKAVANA Christian eto anivon’ny MICA izay efa nisehatra nandritra ny taona maro tao anatin’ny tontolon’ny fitantanana orinasa sy vondrona maro isan-tsokajiny nandritra ny taona maro nanomboka ny taona 2013 toy ny naha Filoha Lefitry ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara sy Filohan’ny Antenimiera’ny Varotra sy Indostria Fitovinany azy. Miarahaba ny Tale Jeneraly teo aloha nahatanteraka ny andraikiny ary mirary soa ny Tale Jeneraly vaovao hahatontosa ny andraikitra sy ny adidy ho an’ ny fampandrosoana ny sehatry ny asatanana.

Vous aimerez aussi...