FANATSARANA NY TONTOLON’NY FIFANAKALOZANA ARA-BAROTRA ETO MADAGASIKARA

Notanterahina omaly 18 marsa 2021 ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo tetikasa miisa roa mikasika ny fanatsarana ny tontolo ara-barotra eo amin’ny orinasa mandinika sy vaventy dia ny tetikasa “ePhyto” izay hibanjina manokana ny famokarana nomerika ireo “certificats phytosanitaires” sy ny tetikasa “décisions anticipée” izay fitaovana fanasokajiana ny sandan’ny fadintseranana tsy maintsy haloan’ny orinasa iray mialohan’ny fanondranana na fanafarana entana. Nanamafy izany fanolorana izany ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana fanatanterahana ireo tetikasa voalaza etsy ambony ireo teo amin’ny “Comité National de Facilitation des Échanges” sy ny “Alliance Mondiale”. Ireo tetikasa ireo dia fitaovana manafaingana sy manamora ireo dingana ara-panjakana sy ara-barotra tsy arahinan’ny orinasa.
Nambaran’ny Tale misahana ny Varotra Ivelany eto anivon’ny MICA izay ao anatin’ny filoha miara-mitantana ny CNFE fa hanafaingana ihany koa ny fifanakalozan’i Madagasikara ara-barotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao dingana izao ary koa mitondra fanamaroan-karazana eo amin’ny fanondranana ataon’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...