FAMPANDROSOANA NY SEHATRY NY VAROTR’ASA
Tontosa anio 16 marsa 2021 tetsy amin’ny Louvre Antaninarenina ny atrikasa natokana ho an’ny varotr’asa izay mikendry ny hanatsarana ny fifampiraharahana iraisam-pirenena momban’ny varotra tanterahan’ireo ankolafy voakasika rehetra ary koa hampidirana azy ireo ao anatin’ny zotram-panatanterahana handrafetana ny fandraiketanan’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fanamby voatokana ao aorian’ity atrikasa ity ny fametrahana mazava tsara ireo paikady entina amin’ny fifampiraharahana isam-paritra momban’ny varotr’asa eo anivon’ny COMESA sy ny SADC, ny fivelaran’ny fifampiraharahana eo amin’ny
“zone de libre échange continentale” ary ny paikady nasionaly mikasika indrindra ny varotr’asa.