Famerana ny vidin’entana any boeny: Novakiana bantsilana ireo antony mampiakatra ny vidin’entana

Entanin’ny DRICC ny mpaninjara hivarotra mivantana amin’ny mpanjifa fa tsy olona mbola hivarotra satria izany no anisan’ny mampiakatra ny vidin’entana. Tokony hojerena koa ny tsy fahampian’ny lanja amin’ny siramamy, vary amin’ny gony, indrindra ny menaka amin’ny bidao avy any am-potony hoy ny mpaninjara. Nanome soso-kevitra moa ny mpamokatra siramamy SUCOMA ny hanaovana fanamarinana amin’ny lanja rehefa mividy siramamy. Teo anivon’ny rafitra mpandrindra ny fanaraha-maso ny famatsiana no nikarohana vahaolana ho fampiharana ny famerana ny vidin’entana farany ambony ho an’ny Faritra Boeny ny Alarobia 27 Aprily 2022. Nandray anjara tamin’izany ny solontenam-panjakana, ny DRICC, ny avy amin’ny Orinasa SUCOMA, ireo mpamongady sy mpaninjara.
(Sary DRICC)

Vous aimerez aussi...