Fampiroboroboana ny indostria sy fampiasam-bola eto madagasikara

Hanolo-tanana ny MIC amin’ny fanamafisana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy fijerena mpanosika tetik’asa matihanina (développeurs) koa ny Vondrona Eoropeana.
Vonona ny Vondrona Eoropeana hanohana ara-teknika ny Fanjakana malagasy eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny indostria sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Isan’ny teboka nifanakalozan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana Isabelle Delattre Burger ny momba izay fiaraha-miasa izay androany Alatsinainy 29 janoary 2024 tetsy Ambohidahy.
Maro ny ezaka nentin’ny Fanjakana malagasy eo amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara toy ny famoahana ny Lalàna momba ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena, ny fandrafetana ny fifanekena miaraka amin’ny Sehatra tsy miankina momba ny Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria ary ny fananganana ny Filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM).
« Efa napetraka ireo fitaovana entina hisarihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpanosika tetik’asa matihanina hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana. Vonona ny Rafi-panjakana hiara-hiasa amin’ny Sehatra tsy miankina ary indrindra ireo vondrona iraisam-pirenena samihafa hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ». Tenin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) izany androany nanehoany fa dodona izy hiroso amin’ny tena asa fampandrosoana ifotony.
Nanome toky ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Isabelle Delattre Burger fa hijery miaraka amin’ny MIC ireo mpanosika tetik’asa matihanina (développeurs) sy manampahaizana manokana ihany koa hitantsoroka ireo asa fampandrosoana ara-indostria sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...