Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Ihorombe sy Melaky

“Manarina tontolo iainana, manome aina”. Nandray anjara tamin’ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo ny mpiara-miasa any amin’ny Fitalevam-paritra (DRIC).

?IHOROMBE: Teny amin’ny fokontany Berinera, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ihosy no nanamarihana ny fanokafanana ny fotoam-pambolen-kazo ny Zoma 26 Janoary 2024, ho an’ny Faritra Ihorombe. Nandraisan’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa sy ireo fikambanana maro avy amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina anjara izany.
?MELAKY: Nanatanteraka fambolen-kazo niarahana tamin’ny tompon’andraikitra maro samihafa teny Ambararatakely Maintirano ny ekipan’ny DRIC Melaky ny Zoma 26 Janoary 2024. Fiaraha-mientana handrakofana ala indray an’i Madagasikara.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...