Varotra ivelany

Hanohana an’i Madagasikara amin’ny adisisika hiarovana ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Fandaharanasa CIR (Cadre Intégré Renforcé).

Hevitra naroson’ny Minisitra Edgard Razafindravahy hitazonana ny vidin’ny lavanila amin’ny tokony ho izy ny famondronana ireo tany mpanondrana sy mpamokatra lavanila anaty fikambanana iray lehibe. Toy ny fanohanana nentin’ny CIR teo amin’ny seha-pihariana dipoavatra mena (baie rose) any Bongolava dia noreseny lahatra ny Mpandrindra eto anivon’ny firenena ny Fandaharanasa CIR, Paulin Zambelongo, hanampy amin’ny fanatanterahana izay paik’ady hametrahana ny lavanila amin’ny toerany izay. “Sitrakay ny hisian’ny fitaovana manokana hijery ny fandrindrana ny vidin’ny lavanila izay vokatra fanilon’ny toe-karena malagasy”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra androany Alatsinainy 12 Febroary 2024 nandritra ny fandraisany ity tompon’andraikitry ny CIR ity tsetsy amin’ny biraony etsy Ambohidahy.

Nanaiky avy hatrany ny hanolotra izany eo anivon’ny Komitin’ny CIR ny Mpandrindra eto anivon’ny firenena, Paulin Zambelongo, hanohanana ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Ho tafahaona any Abu Dhabi renivohitry ny Emira Arabo Mitambatra moa ireo lohalaharana amin’ny famokarana lavanila toa an’i Madagasikara, Ouganda, Nouvelle Papouasie amin’ny Fihaonambe faha-13 ho an’ny minisitera eo anivon’ny Fikambanana maneran-tany momba ny varotra (OMC) ny 26 ka hatramin’ny 29 Febroary 2024. Ho araraotin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany hahafahana miresaka amin’izy ireo izay hevitra hivondronana anaty rafitra iray manan-danja izay.

Vous aimerez aussi...