Fandrindrana ny famatsiana

Novorian’ny DRIC ireo mpandraharaha mpanafatra entana sy mpamongady ao Tolagnaro
Fampahafantarana amin’ny ankapobeny ny fivoaran’ny vidin’entana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiantraikan’izany ato amin’ny tsena anatiny; fampahatsiahivana sy fanentanana an’ireo mpandraharaha amin’ny fanajana ny Lalàna mifehy ny varotra sy tsy ho alaim-panahy hanararaotra ka hampiakatra ny vidin’entana indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Anisan’ny nisongadina ireo tamin’ny fivoriana niaraka tamin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana sy mpamongady ao Tolagnaro ny 23 Febroary 2024.
Tolagnaro manokana moa dia miankina amin’ny famatsiana entana avy any Toamasina sy Toliara. Nisy ny fangatahana fiarahamiasa amin’ny SPM (State procurement of Madagascar) amin’ny famatsiana vary miaraka amin’ireo mpandraharaha izay vonona mba ho fampirisihana amin’ny fanafarana izay mitondra mankany amin’ny fahamarinan-toeran’ny vidin’entana.
Nanatrika ity fihaonana tao Tolagnaro ity ny avy amin’ny Faritra sy ny Fileovana, ny filohan’ny CCI- Tolagnaro, ny filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...