One District One Factory (ODOF)

Nanomboka ny fanofanana ireo mpampiofana ny Orinasa kaoperativa sy mpisitraka ny ODOF momba ny fitantanam-bola sy varotra
Toromariky ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny tokony hidinan’ireo teknisianan’ny Minisitera hanamafisana ny traikefan’ireo mpisitraka sy ireo Orinasa kaoperativa voakasiky ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory). Anatin’ny fiomanana ho fanatanterahana izany indrindra ny fanofanana ireo mpiara-miasa 40 eto amin’ny Minisiteran’ny Famporoboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) momba ny fomba tsotra fitahirizam-bola sy ny momba ny haivarotra.
Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ity fanofanana, nanomboka androany Alatsinainy 04 Marsa 2024 ka haharitra efatra andro, ity ny avy amin’ny Filan-kevitra ambony momba ny fitantanam-bola (CSC) sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Fiaraha-miasa eo amin’ny MIC sy ny Tetik’asa Fanasamihafan-karazana ny toekarena malagasy eo anivon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD).

Vous aimerez aussi...