Seha-pihariana vokatra fanondranana sy voankazo

Orinasa kaoperativa roa tafatsangana any Analanjirofo
Ny Kaoperativa MAGNITRY sy ny Kaoperativa FAGNAMPY izay samy misehatra amin’ny famokarana sy fivarotana vokatra fanondrana sy voankazo ireto notolorana taratasim-piraketana amin’ny maha-Orinasa kaoperativa azy ireo ireto. Ny faran’ny herinandro lasa teo no notanterahana tao Fenoarivo Atsinanana dia ny lanonana ho amin’izany.
Nampirisika azy ireo hiroso amin’ny sehatry ny fanodinam-bokatra ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) satria izany no anisan’ny ifotoran’ny politikam-panjakana amin’izao. Naneho fahavononana amin’ny fiara-miasa amin’izy ireo ho amin’izany ny Talem-paritra Analanjirofo.
Nanotrona ny fotoana ny avy eo anivon’ny Faritra sy ireo mpiara-miombon’antoka dia ireo toeram-pindramam-bola (banky) sy ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa.

Vous aimerez aussi...