Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Androy sy Anosy

?ITASY: Raikitra ny ady amin’ny mety ho fanararaotana ataon’ny mpanangom-bokatra sy mpivarotra amin’ny alalan’ny fitaovam-pandanjana sy fandrefesana hiarovana ny tantsaha sy ny mpanjifa indrindra amin’izao fotoanan’ny fararano izao. Nanomboka tamin’ny volana Marsa dia olona 521 no tonga nitsara fitaovam-pandanjana teo amin’ireo kaominina 5 efa nandalovana dia i Soavinandriana, Ampefy, Ampary, Analavory ary Miarinarivo. Notazonina avy hatrany ireo fitaovana voaporofo fa tsy manara-dalàna. Tohizana any amin’ireo kaominina hafa anatin’ny distrika 3 ao anatin’ny faritra ity hetsika ity.
?ANDROY: Mizana 32 no nandalo fitsarana tao Ambovombe ho fampanarahan-dalàna ny varotra tamin’ity herinandro ity. Ny 5 tamin’ireo mizana ireo no voamarina raha tsy maintsy nandalo fanamboarana ny 27. Nanaovan’ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) fitiliana koa ny vatomizana miisa 125.
?ANOSY: Ampy ny tahirin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) any amin’ny faritra Anosy. Tamin’ny Talata 2 Aprily 2024 lasa teo dia Vary nafarana 191,5 taonina, siramamy 119,35 taonina, menaka 2453 bidao, lafarinina 61,5 taoninaary simenitra 24,5 taonina no voamarin’ny mpanara-maso avy amin’ny DRIC. Manana Vary 30 kaontenera koa ny orinasa iray fa mbola anatin’ny fikarakaraka ny atontan-taratasy ahafahana mivarotra azy.
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...