One District One Factory

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Feno ny fandaharam-potoanan’ny delegasionan’ny ODOF (One District One Factory) mandritra ny fivahinianany any Maroc. Nisy ny fihaonany tamin’ny tompon’andraikitra sasany teo anivon’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra any Maroc tao Rabbat. Nandritra izany no nifampizarana paikady hampiroboroboana ny indostria. Voaresaka ihany koa ny momba ny lalam-barotra.
Nihaona tamin’ny mpitantana sasany ao amin’ny Région Tanger Tétouane AL Hoceima ny delegasiona. Nasian-teny teto ny fifandrindran’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny Ministera foibe sy ny politikam-pampandroasoana eo anivon’ny Faritra mahakasika ny fampiroboroboana ny indostria.
Ny 10 Avrily 2024 lasa teo moa no niala teto Madagasikara ka nihazo an’i Maroc ity delegasionan’ny ODOF tarihin’ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny indostria (DGI) Njiva Rakotoarivonona ity. Maharitra roa herinandro ny dian’izy ireo.
Nanome tanana ka nahatontosa izao fifanakalozana traikefa izao ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana (BAD) tamin’ny alalan’ny Tetikasa Fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF).
Sary DGI

Vous aimerez aussi...