Ofisy malagasy misahana ny fizakamanana ara-indostria


Mitohy any Antsirabe ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny OMAPI
Hetsika mandritra ny telo andro any amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra no anohizana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny OMAPI taorian’ny fanokafana teto Antananarivo tapa-bolana lasa izay.
Nanamarika ny andron’ny Alarobia 24 Avrily 2024 ny fanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny OMAPI sy ny Ivontoeram-pampianarana mivoy ny fizakamanana ara-tsaina (IFP Raketamanga). Nizarana fahalalana momba ny fizakamanana ara-tsaina kosa ny mpitsara, zandary, polisy ary ny Sehatra tsy miankina omaly Alakamisy 25 aprily 2025. Androany Zoma 26 Avrily 2024 moa dia ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fizakamanana ara-tsaina no hisongadina.
Lohahevitra anompanana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny OMAPI ny hoe “Fiaraha-mientana amin’ny famoronana sy ny fahitanavao ho fampiroboroboana ny indostria ».

Vous aimerez aussi...