Voly fanondrana

Nisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any amin’ny Faritra DIANA.

Nosantarina tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimena, distrikan’ Ambanja ny fotoam-piotazana lavanila maitso any amin’ny Faritra DIANA izay nisokatra ny Sabotsy 25 Mey 2024 lasa teo. Efa nisy sahady ireo orinasa mpanondrana entana mankany ivelany nividy lavanila maintso. Tamin’ny vidiny 55 000Ar sy tambim-pankasitrahana BIO 16 250 Ar/kg no nandraisan’ny Biolandes ny vokatry ny tantsaha.
Efa hita manomboka tonga tsikelikely ao Ambanja ireo mpividy vokatra avy any amin’ny faritra hafa amin’izao fotoana izao hanjifa, hividy ny vokatra any an-toerana amin’ny kalitao tsara izay ananany.
Sary DRIC

Vous aimerez aussi...