Fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversite an’Antananarivo sy ny Ivon-toerana malagasy ho an’ny fizaka-manana ara-indostrialy (OMAPI)

Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny Oniversite an’Antananarivo sy ny OMAPI izay sampan-draharaha ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana mikasika ny fiarovana ireo voka-pikarohana sy vokatra noforonin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpianatra eny amin’ny anjery manontolo. Tafiditra ao anatin’izay fiaraha-miasa akaiky izay ny fanohanana ara-teknika toloran’ny OMAPI eo anivon’ireo dingana maro samihafa rehetra lalovana ho amin’ny fiarovana ireo voka-pikarohana sy vokatra voakasika ireo.

Vous aimerez aussi...