Fanondranana lavanila

Amin’ny Alatsinainy ho avy izao no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny lisitr ‘ireo nahazo fankatoavana hanondrana lavanila. Manodidina ny 300 ny isan’ ireo mpandraharaha nangataka fankatoavana fanondranana voaray teto anivon’ny minisitera.
Izay no nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy, androany.
Fantatra koa fa ho tonterahana rahampitso 17 septambra ny fivorian’ireo mpanangom-bokatra lavanila any amin’ny faritra SAVA.
Fivoriana izay efa nomanin’izy ireo tao aorian’ny fandalovan’ny Ministra tany amin’iny faritra iny.
Ho dinihana manokana mandritra izany fivoriana izany ny fandaminana rehetra hiatrehana ny fotoana fanondranana ny lavanila ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Zava-dehibe ny hamerenana indray ny hasin’ny lavanila malagasy ary koa hamerenana ny mpandraharaha malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy. Ilaina hoy ny Minisitra ny manaraka ny lalàna mipetraka rehetra handaminana ity seha-pihariana lavanila ity.

Vous aimerez aussi...