Fiarovana ny mpanjifa

Tsy maintsy nolevonina ireo sira tsy misy ioda nafarana avy any ivelany.

Tamin’ny Zoma 31 Mey 2024 lasa teo no nirosoana ny famotehana sy fandevonana ireo sira izay efa voatily sy voamarina fa tsy misy ioda, tao amin’ny faritry ny orinasa mpanafatra eto Antananarivo ihany. Nanatanteraka izany ny teo anivon’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto amin’ny MIC, niaraka tamin’ny solontenan’ny ACSQDA sy ny Sampan-draharahan’ny Hetra ary natrehan’ny tompon’andraikitr’ilay orinasa tompon’ny entana.
Antoka iray lehibe ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa ny fihinanana sira misy ioda. Toy zao ny momba ireo sira nafarana tsy misy ioda nopotehina :
-Sel de Guérande (48 boaty amin’ny 250g),
-Sel de mer gros La Baleine (352 fonosana amin’ny 1kg)
-Sel fin (41 boaty amin’ny 250g).
Sary DPC

Vous aimerez aussi...