Dian’ny filoham-pirenena tany Korea Atsimo

Ny fampiroboroboana ny indostria no kitro ifaharan’ny fampandrosoana. I Korea Atsimo dia anisan’ny tena manamarina izany satria ny indostria dia manana ampahany betsaka tokoa amin’ny harikarenan’izy ireo : mahatratra 25% raha latsaky ny 20% izany any Eoropa. Izany indrindra no nanehoany fahavononana handray anjara amin’ny fampivoarana ireo sehatra laharam-pahamehana aty Afrika.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny adihevitra momba ny indostria sy ny fampiasam-bola androany dia nanambara ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA fa efa maro ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny indostria toy ny fandaharanasa ODOF, ny fananganana orinasa mpanodina fanafody sy vokatra eto an-toerana, ny tetikasa « titre vert », sns. Mbola maro ihany koa anefa ireo sehatra azo ampiasam-bola ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa marim-pototra amin’ireo firenena toy i Korea i Madagasikara

Vous aimerez aussi...