Salon International Des Acteurs Economiques(SIAE)

Orinasa ODOF dimy mampiranty ny vokany eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka
Mampahafantatra ny vokatra ODOF (One District One Factory) eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, mandritra ny SIAE ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra.
Mandray anjara amin’ny hetsika ka mampiranty ny vokany, eo amin’ny tranohevan’ny MIC, ny Orinasa Ampalia manamboatra cidre avy amin’ny paoma any Antsirabe I, ny Huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo sy soja, ny ODOF manodina tantely ILOO Project any Manjakandriana, ny Soa sy fampivoarana ho an’ny Malagasy izay manodina ronono ho fromazy any Moramanga ary ny Bricka Chips manao chips amin’ny akondro any Brickaville. «Irariana mba ifampizaranareo mandritra izao SIAE izao ny lalan-tsaina nentina amin’ny famokarana anatiny, amin’ny alalan’ny fananganana ozinina mamokatra eny ifotony ao anatin’ny Tetik’asa ODOF», hoy ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra nandritra ny lahateny fanokafana androany Alarobia 5 Jona 2024.
Haharitra efatra andro ny SIAE andiany faha-3.

Vous aimerez aussi...