Fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (CNUCED)

Porofon’ny fiaraha-mientan’i Madagasikara sy ny CNUCED ny fiaraha-miasany amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra
Manampy betsaka ny Ministeran‘ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny CNUCED hatramin’zay tamin’ny lafiny momba ny fampiasambola, ny fanondranana maitso, varotra elektronika, fanamorana ny fifanakalazona ara-barotra, ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra (PICM)… Ary mbola mitohy izany fiaraha-miasa zany.
Nisaotra ny CNUCED amin’ny fanampiana an’i Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, omaly 12 Jona 2024, nandritry ny lanonam-panokafana ny fankalazana tany Genève Suisse. Nilaza ireo olana sedraina erantany sy ny maha-zava-dehibe izao fihaonana izao izy. Hisy lalana vaovao izay hosoritana mba ho an’ny fampandrosoana lovainjafy. Notanisain’ny Filoham-pirenena ny ezaka vitan’i Madagasikara amin’ny resaka famapandrosoana sy ny vina amin’izany.
Manotrona ny Filohan’ny Repoblika amin’izao diany any Genève izao ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, Edgard Razafindravahy. “Ny fiaraha-miasa amin’itony sampan-draharaha lehibe itony dia ilaintsika amin’ny fanatrarana ny tanjona ho an’ny firenena sy ireo fanamby mipetraka amin’izao tontolo izao. Izany indrindra no hiarahantsika miasa miaraka amin’ny CNUCED”, hoy izy.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...