One District One Factory

Niatrika ireo mpiandraikitra fandalinana (Chargés d’études) rehetra eto anivon’ny MIC ireo mpisitraka ny tetikasa ODOF.

Tsy natao ho tompon-trano mihono ireo mpiandraikitra fandalinana eto anivon’ny MIC ka niatrika atrikasa anatiny niarahana tamin’ireo orinasa mpisitraka ny tetikasa ODOF omaly Alarobia 12 jona 2024 tetsy Anosy. Lalan-tsaina miisa roa no nibahana nandritra ny atrikasa : Fahombiazana sy fampiroboroboana ny indostria. Nizara ny fitohizan’ny famokarana ifotony sahan’izy ireo ny orinasa mpisitraka ny tetikasa ODOF toy ny Nobel Fleur mpamokatra mena-boanjo any Analavory, ny Iloo Project manodina tantely any Manjakandriana, ny Neta mamokatra paty any Arivonimamo, ny Huilerie d’Anjozorobe mamokatra mena-boanjo sy soja, ny Bricka chips any Brickaville, ny orinasa manodina ny ovy ho lasa chips ao Betafo, ny orinasa avy any Ambohidratrimo mamokatra saosy voatabia Kama ary ny orinasa KSIA mpamokatra mena-boanjo avy any Bongolava. Nasongadin’izy ireo fa tsara kalitao sy manara-penitra ary tsy mena-mitaha amin’ireo vokatra avy any ivelany ny vokatra avy amin’ireo orinasa ODOF.Nanamafy hatrany ihany ireto mpandraharaha fa zakan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy ny vokatra avy amin’ny Taninketsa Indostrialy.

Tanjona napetraky ny fisian’ny tetikasa ODOF ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha sy ny vahoaka eny ifotony. Nanamarina tanteraka izany ny avy ao amin’ny orinasa mpamokatra chips ao Betafo : « Tena mahavaha ny olan’ny tantsaha any aminay ny ODOF satria tena miasa mafy ireo tantsaha amin’ny asa fambolena. Tonga anefa ny fiakaran’ny vokatra dia varotana amin’ny vidiny tena mora noho izy mora lo. »
« Chips ara-pahasalamana ary tsy mampiasa akora simika izahay. Tena tsara ary miavaka ny tsirony ary amin’ny vidiny mirary. Manala ny fahasahiranana eny ifotony ny fisian’ny milina ODOF ao Brickaville. » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Brickachips ao Brickaville.

 

Vous aimerez aussi...