Antenimieram-pirenena

antenimeram-pirenena

Nolanian’ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fidiran’i Madagasikara ao amin’ny OEACP
Raha Vondron’ny tany Afrikana, Karaiba ary Pasifika (ACP) no anarany teo aloha dia lasa fikambanana iraisam-pirenena izy ankehitriny ary mitondra ny anarana OEACP (Organisation des Etats ACP). Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly Alakamisy 20 Jona 2024 ny Volavolan-dalàna laharana 020/2022 tamin’ny 30 Novambra 2022 fankatoavana ny fidirantsika anatin’izany Fikambanana iraisam-pirenena izany.
Mitatra araka izany ny lohahevitra, ny fanamby, ny rafitra ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny tontolo iraisampirenena. Ny tanjona ho an’i Madagasikara dia ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotra eo amintsika sy ireo mpikambana ary hampivelarana ny indostria.
Nitarika ny delegasion’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) teny Tsimbazaza omaly ny Sekretera jeneraly. Efa mpikambana tao anatin’ny ACP moa i Madagasikara nanomboka ny taona 1975.

Vous aimerez aussi...