TANINKETSA INDOSTRIALY: Liana amin’ny fananganana Orinasa ho azy ireo ny fikambanana samihafa

Ny renivohitr’i Vakinankaratra no namaranan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fitetezam-paritra ny andron’ny omaly Talata 16 febroary 2022. Anisan’ny nanatrika ny fihaonana tao amin’ny lapan’ny Faritra ny ben’ny tanàna maro, ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny kaoperativa sy fikambanana samihafa. “Apetraka ny Unité de gestion hitantana ny Orinasa ho atsangana; Tsy averina akory ny vola omena hividianana ny fitaovana fa hisy ny fanaraha-maso tsy ho simbasimba foana ireny fitaovana ireny”, hoy ny Minisitra.

Vous aimerez aussi...