Vaovao momba ny fifidianana izay ho mpikambana maharitra eny anivon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI)

👉HAUTE MATSIATRA : Nanao tombana ny asa vita ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana tarihin’ny filoha Rufin Zafimihary ny Alarobia 21 Septambra 2022 lasa teo. Noferana ho 25 ireo mpikambana maharitra ho fidiana ka 11 avy amin’ny sehatry ny varotra, 10 avy amin’ny servisy ary 04 avy amin’ny indostria. Mahatratra 261 ny fitambaran’ireo mpifidy. Ny 19 Novambra no hanatanterahana ny fifidianana.
👉VAKINANKARATRA: 34 no isan’ireo ho fidiana ho mpikambana raikitra eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra sy ny Indostria Vakinankaratra araka ny tapaka nandritra ny fivorian’ny Komity manokana mpikarakara ny fifidianana ny 21 Septambra 2022. Ny 20 amin’ireo dia fidian’ny mpisehatra amin’ny varotra, ny 09 fidian’ny avy amin’ny servisy ary ny 05 avy amin’ny indostria. Navoaka tamin’ny alalan’ny peta-drindrina nanomboka afak’omaly koa ny lisi-pifidianana vonjimaika ka haharitra 20 andro izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...