Varotra iraisam-pirenena:Dimy andro nifandresen-dahatra ny Vondrona Eoropeana sy ireo firenena 5 anatin’ny AFOA

Nisy fivoarany ireo lohahevitra nifandresen-dahatra nandritra ny fivoriana faha-9 teo amin’ny Vondrona Eoropeana sy ireo tany mpikambana anatin’ny AFOA (Afrika atsinanana sy atsimo) dia i Madagasikara, Maorisy, Seychelles, Comores ary Zimbabwe. Any Bruxellles indray no hatao ny fihaonana manaraka. “Ny vokatr’ireny fifandresen-dahatra ireny no hamaritra ny fifandraisana amin’ny Vondrona Eoropeana”, hoy ny Tale misahana ny Varotra ivelany eto amin’ny MICC Sadiah Razafimandimby androany nandritra ny lanonam-pamaranana tetsy amin’ny Carlton Anosy.
I Madagasikara moa no nitantana ny fifandresen-dahatra momba ny Fiaraha-miasa ara-toekarena ho amin’ny fampandrosoana tamin’izao fivoriana izao. Hanampy ara-bola an’ireo tany anatin’ny AFOA ny Vondrona Eoropeana. Mbola hisy anefa ny fifandinihana hanatanterahana izany.

Vous aimerez aussi...