Ady any Ukraine : Miantso ny fifanantonana sy fifampiresahana mba hamahana ny olana

Misy fiantraikany goavana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny tsy fifandanjana eo amin’ny firenena maneran-tany ny ady any Ukraine. Namerina ny antso amin’ny fifanantonana sy fifampiresahana ny Filoha Andry Rajoelina mba hamahana ny olana.
Notsipihany manoloana ny Firenena Mikambana ihany koa ny tokony hijeren’ity rafitra ity ny fomba hisitrahan’ireo firenena marefo solika amin’ny vidiny ara-drariny mifanaraka amin’ny arikaren’ny tsirairay.

Vous aimerez aussi...