Andro afrikana momba ny asam-panjakana

pic

Nampahafantarin’ny MIC tetsy Analakely ny momba ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra (PICM)
Hanampy betsaka sy hanala fahasahiranana an’ireo rehetra manan-draharaha ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra. Nahaliana ny mpitsidika ny tranohevan’ny Minisitera tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny mikasika ny PICM nandritra ny Andro maneran-tany momba ny Asam-panjakana ny Zoma 21 Jona 2024.
Napetraka ny PICM mba hampahafantarana ny olona rehetra ireo asa atao ao anatin’ny MIC sy ny mombamomba ireo asa rehetra ao. Anisan’izay anomezany torolalana, ohatra, ny dingana tsy maintsy arahina raha hanondrana sy hanafatra entana, ny fepetra takiana ahafahana misitraka ny Tetik’asa ODOF, ny vidin’entana eny an-tsena.
Lohahevitry ny Andro afrikana momba ny Asam-panjakana tamin’ity taona ity ny firosoan’ny Asam-panjakana amin’ny hay tao ara-kajy mirindra. « Mba hametrahana tsara ny atao hoe mangarahara eo amin’ny asan’ny MIC izay asam-panjakana malagasy ary ny hampitombo hatrany ny fanjakana tsara tantana sy ny fanatanterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny PICM, Joeline Hariniaina.

Vous aimerez aussi...