FANJIFANA

Nandraisana fepetra fandorana ireo voasary sy “cube calnort” simba ho fiarovana ny mpanjifa
Tsy nanan-tsafidy ry zareo ao amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) fa tsy maintsy niroso tamin’ny fandorana ireo entana simba ho fiatrehana ny Fetim-pirenena 26 Jona am-pilaminana. Voasary simba sy lo miisa 6556 sy Cube calnort simba sy lany daty 151 baoritra no voakasik’izany. Voasoroka ny loza sy ny aretina mety ho azo amin’ny fanjifana entana simba sy lany daty.
Teto dia ny orinasa tompon’ny entana no nangataka ny fanapotehana mba hisorohana ny mety hisian’ny fanapoizinana vokatry ny fihinana sakafo tsy manaraka ny fenitra ara-kalitao sy ara-pahasalamana.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...