Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Boeny, Itasy ary Alaotra Mangoro

?BOENY: Hahazo fanofanana ireo tantsaha mpamokatra manga hanomezan-danja ity vokatra iray ity izay betsaka tokoa any amin’ny faritra Boeny saingy tsy tena voatrandraka loatra. Tanjona ny hanodinana ny manga na ny hanamainana azy hahatsaratsara kokoa ny vidiny. Vita sonia teo amin’ny DRIC Boeny sy ny F4F/GIZ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany ny Alakamisy 11 Jolay 2024.
Endrika isehoan’ny fifanomezan-tanana eo amin’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina (3P) izao fanaovan-tsonia izao.
?ITASY: Nivondrona anaty kaoperativa ireo mpitatitra olona amin’ny alalan’ny “Tuc-Tuc”any amin’ny distrikan’i Soavinandriana. Tafatsangana ny kaoperativa MANASOA Manampy taorian’ny fampiofanana mikasika ny toe-tsaina entina handraharaha, ny Lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa ary ny famenoana ny atontan-taratasy fananganana kaoperativa.
Nampanantena moa ny Filohan’ny Orinasa kaoperativa Manasoa fa haneho ny maha-matihanina azy ireo ho tombontsoa an’ny vahoaka eny ifotony.
?ALAOTRA MANGORO: Orinasa kaoperativa roa no tafatsangana tany amin’ny distrikan’i Moramanga tamin’iny herinandro lasa iny. Ao Amboasary no misy ny Orinasa kaoperativa SOA FIANATRA ahitana mpikambana 25 izay misahana asa fambolena zana-kazo, voly fanondrana toy ny baie rose, kanelina, sakay pilo, kafe, hazo fihinam-boa, voly vary sy asa fanodinana ary famarotam-bokatra. Ao Ambohibary kosa ny Orinasa Kaoperativa MANGORO MIRAY misehatra amin’ny asa fambolena kafe, sakay pilo, zana-kazo, hazo fihinam-boa, voly avotra sy asa fanangonana ary famarotam-bokatra. Misy 25 ireo mpikambana.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...