Fampiroboroboana ny indostria ho an’ny tany mpikambana ao amin’ny SADC

sadc
Nosokafan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Zimbabwe ny fampirantiana andraisan’i Madagasikara anjara amin’ny alalan’ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) any Harare
Nitsidika ireo tranohevan’ny mpandray anjara ny Filohan’i Zimbabwe, Emmerson Dambudzo Mnangagwa, omaly Alarobia 31 Jolay 2024, andro faha-4 anatin’ny hetsika herinandron’ny SADC ankalazaina isan-taona. Tamin’io koa no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana ahitana ny vokatra ODOF avy aty Madagasikara. Tonga any Harare Zimbabwe ny divay, cidre, chips, fromazy, ketchup, tantely sy vokatra malagasy hafa koa.
Maro ireo mpitsidika no liana amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Anisan’izany ny mpikarakara ny hetsika sy ireo mpandraharaha izay misokatra amin’ny fifanakalozana ara-barotra sy fifampizarana traikefa.
Nambaran’ny Filohan’ny Repoblikan’i Zimbabwe nandritra ny fandraisam-piteneny fa « tonga ny fotoana ahatsapana sy anehoan’ny indostria eto Afrika fahamatorana sy ampitsahatra ny fitarainana lava reny ».
Rahampitso Zoma 2 Aogositra 2024 no hifaranana ity fihaonan’ny tany mpikambana ao amin’ny Tsena iombonana ho an’i Afrika Atsinanana sy Atsimo (SADC) momba ny fampiroboroboana ny indostria ity ka nisoloan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tena an’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi...